John 19

1Avy eo nentin’i Pilato Jesosy ka nokapohiny. 2Nandrandrana satroka tsilo ireo miaramila. Napetrak’izy ireo teo amin’ny lohan’i Jesosy izany ary nampitafy lamba volomparasy Azy. 3Nanantona Azy izy ireo ary niteny hoe: “Arahaba, ry mpanjakan’ny Jiosy!” ary nikapoka Azy izy ireo.

4Avy eo nivoaka indray Pilato ka niteny tamin’izy ireo hoe: “Indro, entiko aminareo eto ivelany Izy mba hahafantaranareo fa tsy mahita heloka Aminy aho.” 5Ka nivoaka Jesosy, nanao ilay fehiloha tsilo sy ilay lamba volomparasy. hoy Pilato tamin’izy ireo hoe: “Indro, ity ilay lehilahy!” 6Rehefa hitan’ny lohan’ny mpisorona sy ny manamboninahitra Jesosy, dia nihiaka mafy izy ireo ka niteny hoe: “Homboy izy, homboy izy!” Dia hoy Pilato tamin’izy ireo hoe: “Alaivonareo Izy ary homboy, fa izaho tsy mahita heloka Aminy.”

7Namaly azy ireo Jiosy hoe: “Manana lalàna isika, ary araka ny lalàna dia tokony ho faty Izy satria mitonon-tena ho Zanak’Andriamanitra.” 8Rehefa ren’i Pilato izany fanambarana izany, dia nihanatahotra kokoa izy, 9ary niditra tao amin’ny lapam-panjakana indray izy ka niteny tamin’i Jesosy hoe: “Avy aiza ny fihavianao?” Kanefa tsy nanome valin-teny azy Jesosy.

10Avy eo Pilato niteny taminy hoe: “Tsy manana ambara amiko ve ianao? Tsy fantatrao ve fa manana fahefana hanafaka Anao aho, sy fahefana hanombo Anao?” 11Namaly azy Jesosy hoe: “Tsy manana fahefana Amiko ianao raha tsy nomena anao avy any ambony izany. Noho izany, izy izay nanolotra Ahy taminao dia manana heloka bebe kokoa.”

12Tamin’izany valin-teny izany, dia niezaka ny hanafaka Azy Pilato, fa nihiaka mafy ireo Jiosy, nanao hoe: “Raha afahanao io lehilahy io, dia tsy naman’i Kaisara ianao. Izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manohitra an’i Kaisara.” 13Rehefa ren’i Pilato ireo teny ireo, dia nentiny nivoaka Jesosy ary nipetraka teo amin’ny seza fitsarana izay antsoina hoe “lampivato”, fa amin’ny teny Hebreo hoe “Gabata.”

14Ary tonga ny andro fanomanana ny Paska, teo amin’ny ora faha enina teo. Hoy Pilato tamin’ireo Jiosy hoe: “Indro, ity ny mpanjakanareo!” 15Nihiaka mafy izy ireo hoe: “Avelao Izy, avelao Izy; homboy Izy!” Hoy Pilato tamin’izy ireo hoe: “Tokony hanombo ny mpanjakanareo ve aho?” Namaly ireo lohan’ny mpisorona hoe: “Tsy manana mpanjaka akotran’i Kaisara izahay.” 16Avy eo dia natolotr’i Pilato azy ireo ho homboina Jesosy.

17Avy eo nalain’izy ireo Jesosy, ary nandeha nivoaka izy, nilanja ny hazofijaliana, ho any amin’ilay toerana antsoina hoe “toeran’ny karandoha,” izay amin’ny Hebreo antsoina hoe ‘“Golgota.” 18Nombohan’ireo tany Jesosy, ary nisy lehilahy roa hafa niaraka taminy, iray isaky ny ilany, ary Jesosy teo afovoany.

19Nanoratra famantarana ihany koa Pilato ary nametraka izany teo amin’ny hazofijaliana. Izao no voasoratra teo: JESOSY AVY ANY NAZARETA, ILAY MPANJAKAN’NY JIOSY. 20Maro tamin’ireo Jiosy no namaky izany famantarana izany satria tsy lavitra ny tanàna no misy ny toerana nanomboana an’i Jesosy. Ilay famantarana dia nosoratana tamin’ny Hebreo, Latina, ary Grika.

21Avy eo hoy ireo lohan’ny mpisoron’ny Jiosy tamin’i Pilato hoe: “Aza soratana hoe: ‘Ilay Mpanjaka’ny Jiosy,’ fa aleo hoe: ‘Ity iray ity dia niteny hoe: “Izaho no mpanjakan’ny Jiosy.‘‘‘’ 22Ary namaly Pilato hoe: “Izay voasoratro dia voasoratro.”

23Rehefa nombohan’ireo miaramila Jesosy, dia nalain’izy ireo ny lambany, ka nozarain’izy ireo efatra, dia samy manana iray avy ireo; ary ilay akanjo ihany koa. Ary tsy misy vitrana ilay akanjo, fa tenona iray ihany. 24Avy eo nifampiresaka izy ireo hoe: “Aleo tsy rovitintsika ity, fa kosa andeha hilokana ahitana izay mahazo azy.” Nitranga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina izay milaza hoe: ‘‘Nifampizaran’izy ireo ny lambako ary nolokainy ny fitafiako.” Izany no nataon’ireo miaramila.

25Ary nijoro teo akain’ny hazofijalian’i Jesosy ny reniny, ny rahavavin-dreniny, Maria vadin’i Klopa, ary Maria Magdalena. 26Rehefa nahita ny reniny sy ireo mpianatra izay tiany nijoro teo akaiky teo Jesosy, dia niteny tamin’ny reniny Izy hoe: “Ravehivavy, indro, ny zanakao lahy!” 27Avy eo hoy Izy tamin’ny mpianatra hoe: “Indro, ny reninareo!” Ary tamin’izany ora izany dia nalain’ny mpianatra ho any aminy izy.

28Taorian’izany, rehefa nahafantatra fa vita ny zavatra rehetra ka mba ho tanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Jesosy hoe: “Mangetaheta Aho.” 29Ary nisy tavoara feno divay marikivy nipetraka teo amin’io toerana io, ka nasian’izy ireo divay marikivy ny sipaonjy ka notohizany tamin’ny hysopa ary napetapetany tamin’ny vavany. 30Rehefa nisotro ilay vinaingitra Jesosy, dia hoy Izy hoe: “Efa vita.” Nahondriny ny lohany ary niala ny fanahiny.

31Satria andron’ny fihomanana tamin’izany, ka mba tsy hijanona eo amin’ny hazofijaliana mandritry ny Sabata (satria ny Sabata dia andro manan-danja manokana) ireo vata-mangatsiaka, dia nangataka tamin’i Pilato ireo Jiosy avy eo, ny mba hanapahana ny tongotr’izy ireo ary hanalana azy ireo. 32Avy eo nanatona ireo miaramila ka nanapaka ny tongotr’ilay lehilahy voalohany sy ilay lehilahy faharoa izay voahombo niaraka tamin’i Jesosy. 33Rehefa nanatona an’i Jesosy izy ireo, dia nahita fa efa maty Izy, ka tsy notapahin’izy ireo ny tongony.

34Kanefa, nisy miaramila iray nanindrona ny lanivoany tamin’ny lefona, ary avy hatrany dia nisy rà sy rano niraraka. 35Ilay iray izay nahita izany dia nijoro vavombelona, ary marina ny fanambarany. Fantany fa marina izay nolazainy mba hinoanareo ihany koa.

36Fa ireo zavatra ireo no nitranga mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: “Tsy hisy ho tapaka na dia iray amin’ny taolany aza.” 37Ary mbola, misy Soratra Masina hafa milaza hoe: “Izy ireo dia hijery Azy izay nolefonin’izy ireo.”

38Taorian’ireo zavatra ireo, Josefa avy ao Arimatia, hatramin’ny naha-mpianatr’i Jesosy azy (fa tao amin’ny mangingina nohon’ny fatahorana ireo Jiosy), nanontany an’i Pilato raha afaka maka ny vatan’i Jesosy izy. Nomen’i Pilato alalana izy. Ka tonga Josefa ary naka ny vatany. 39Tonga tany ihany koa Nikodemosy, izy izay tonga voalohany hijery an’i Jesosy ny alin’iny. Ary nitondra menaka manitra sy vahona izy, teo amin’ny zato litatra teo ny fatrany.

40Ka noraisin’izy ireo ny vatan’i Jesosy ary namono izany tamin’ny lambam-paty sy zava-manitra, araka ny fomba fandevenana Jiosy. 41Ary teo amin’ny toerana nanomboana Azy dia nisy saha; ary teo amin’ilay saha nisy fasana vaovao izay mbola tsy nandevenan’olona. Satria andron’ny fiomanan’ireo Jiosy tamin’izany ary satria akaiky ny fasana, dia nalevin’izy ireo tao Jesosy.

42

Copyright information for PltULB